TSY TIA FA MBOLA BABO (ANJARIVO Ronsard)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao nilaza fa tsy tia
Nefa mbola nankafy
Nankafy ny sombi-mofony
Mbola lian-drotsirotsiny

Ianao nilaza fa tsy mila
koa dia nampifilafila
Am-po anefa taralila
Fitia miavosa tsy ho dila.

Izy kosa tsy nahalala
ka namalona tantara.
Nandrovitra nanata-jaitr'
ilay fitia nahery vaika,
tsara tenona sy raitra...
Dia naleony tsy niraika
nanadino anao malalany
nihonon'izy fa tsy anjarany.

Ianao tsy tia fa mbola babo
Kanjo potraka sy lavo
Teo andalamben'ny nofy
Fa navadiky ny toky...

ANJARIVO Ronsard
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - Fitiavana
2056 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096