Alohan'ny fandresena. (ARIMBOLA FENOTSIKY)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy ny fotoana tsy ahitanao tena marinaTsy azonao veroka, tsy azonao ho fantarina
Ny lalana itondrany, 'Lay Ray ambony anao
Fa voary ka manaiky, eh, manaiky tsotr'izao.
Dia iny ianao eny, tsy fantatrao ho mankaiza
Toa an-tany hay, toa tonga hatraiza hatraiza
Mandia tanety lava mihodinkodina aok'izany
Zary nofy sy ankamantatra tsisy mahavinany.
Saingy ity no tadidio, raha mbola velon'aina
Tena misy mihitsy tandavanasa ho famolaina
Hampivaly akora nofo ho vongam-bolamena
Eny, izay fotoana izay no tena hafa indrindra
Hanekenao mora ny fisian'ilay Mpandrindra
Namela anao sedraina alohan'ny fandresena
✍️ Arimbola Fenotsiky
--------
Lien:
Catégorie :
Mampiabo fanahy
