Diavolampenomanako. (ARIMBOLA FENOTSIKY)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fahaterahanao
no diavolampenomanako
Eh! Fiainam-baovao
Ny fisianao eto an-tratrako

Mamikely sombiniaina
Ny mahita anao misangy
Mararirary re ny aina
Mandre anao midongy

Mahavelombolo
Ianao mitombo akingana
Amin'ny androko tontolo
Satry ho zaza eny hotaizana

Saingy hisy ny fotoana
Hihalehibe ianao io izao
Nefa Ineny tsy ho eo foana
Hampihantahanta anao.
Arimbola Fenotsiky ✍️
--------
Lien:
Catégorie : Zanaka
6 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117