ANJAKAO AHO (DADAFARAtolotra)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Midira ianao anatiko amin’ny lalina indrindra
Fa efa mafy horina,ny efitry ny foko
Azo higalabonana ahafahanao mifindra
Na atinan’anoloana,na atin’danivohoko

Andao tsy asina fetrany ny fifandraisantsika
Hampiravahan’kitana ny lalana fizorana
Andao asina haingony amin’ny volana baliaka
Soloina volamena koa ny lamba fisalorana

Sambatra aho androany satria nahita anao
Nanaitra ny fitiavana natory an-taona maro
Indro fa hizorako ny lalana vaovao
Fitia tena izy sy tsy afa-mifangaro

Faranako ny soratra ianao alavitra any
Ka rehefa tena sitrana ny elanelan-toerana
Andefa sentosento aho dia handrotsaka tomany
Fa hianoka fitiavana tsy manam-pahataperana
Rehefa ank’ilanao…
--------
Lien:
227 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0863