AVELAO (DADAFARAtolotra)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Avelao ny ranomasoko,hipatrak’eny handena tava
Avelao ny androm-piainako,hanjombona eny tsy hisava
Avelao ireto foko,hiaina anaty fijaliana
Avelao ny dradradrako,hiteny foana tsy mangina

Eny akia ry ‘lay mpamitaka,ry mpandrava fihadanana
Hirariko ho anao ny soa,amin’ny lalana andehanana
Ka ireto fijaliana,hilimanosako ato androany
Tsy mba sitrakao angamba,fa mbola sapatry ny tany

Ndray andro any isika roa,mety mbola hiaona ihany
Mety ve ianao hamafa,’reo ratram-poko tamin'izany
‘Zay naletikao t’anatiko tsy nitseranao akory
Veloma ka mandram-pihaona,ary avelao ‘loha zaho hatory
Hiezaka hanadino anao !
--------
Lien:
276 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : DADAFARAtolotra
Inséré par : DADAFARAtolotra
Date : 11/12/2023 06:57
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137