EMBONA MAFAITRA (DADAFARAtolotra)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ampisentoana lalina,midongy te-hanantona ny foko adaladala
Andro be migaina lazainy hoe fanala,
Jamba rehefa tia,tsy afaka mijery ny lafiny ankiroa
Mangotsoka ny fo

Mivezivezy fatratra fangaro anaty jery fa lalana vaovao
No indro hizorako ao
Embona mafaitra,dinitra miavosa mahery vaika loatra
Mbetika ahy mitraotra,

Manaradianao na sarotra na mora ny hitsy izay hizorana
Tsy misy fahatahorana
Tadio sy ny orambaratra hiaretako hatrany sy ny onja izay miseo
Tsy tsapa izay ho leo

Raha mbola velon'aina,raha masoko mijery
Tsy tsapa izay ho irery
Na lavitra aza ianao,an-tany tsy hita maso
Lazaiko hoe andraso

Ny vorona maneno,indrindra sarivazy
Dia hatsiarovako azy
Ny fitatra sy fody,mpikalo vao maraina
Ianao mameno saina
Hamarako azy,ajaniko ny soratra tsy rendrika ahy fa taitra
Mipololotra mafy ilay embona mafaitra
Ho any an-tratranao...........
--------
Lien:
252 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145