LAHATRA (DADAFARAtolotra)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Madiva ho rovitra ny lamba,azotsika roa salorana
Mbÿ ho tapaka ny tady,izay natao fifamatorana
Efa ho tapitra ny lalana,azotsika roa nombanä
ka tsy hiteny aho hoe "avia",na hilaza hoe ''mandehana"

Fa aleo ny ho avy tsy hay faritana,
No andeha hitondra fintana
Hanjonony atsika roa,ka hampihaona atsika indray,

Dia ny am-pitso tsy hay fatarina
No hivatsy vaingan'arina
Hanoritany ny lalana,mety mba hizoran-tsika,

Ka mandram-pihaona akia malala
Fa ny foko mbola adala
Noho ny lasan-tsika roa ...
--------
Lien:
210 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144