MALAHELO MAFY (DADAFARAtolotra)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tratravatravan-dranomaso, manivatsiva anatiko any
Izao sy ny amin'ny fahiny
Nankaiza kay 'lay silako iny?

Tany lonaka mamokatra, feno zaridaina manitra
Izay fonenanay taloha
Moa ve fongana avokoa?

Ny tomaniko rehetra, nahafeno dobo fantsakana
Heverinao ho fahadalana
Mety ho sitrana rahampitso !

Karazan’embon-maro loko, mpandefa sento tsy an-kijanona
Miterak’alahelo mafy
Fa saingy izaho tsy hampirafy !

Ny tsiaro rakotr'alahelo,saforan'drahona matevina
Hinoako ireo fa mbola levona
Ka hivady ihany isika !
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana - Alahelo - Fiainana - Fitiavana
310 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : DADAFARAtolotra
Inséré par : DADAFARAtolotra
Date : 13/12/2023 09:28
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148