MAMY (DADAFARAtolotra)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any aminao no misy fahasambarana ezahiko tangosana
Mbola any koa misy hafanana izay ho lamba firakofana
Ka raha mba sitrakao,aza hiandrasan'ela intsony
Fa raiso ny fitivako,hidio anatinao ary avy dia tazomy
Fa tiany loatra ianao!

Any aminao no toerana fonenana hamaranana safidy
Ahafana mizioga karazan'onja an-tany,na mamy na mangidy
Mbola any koa ireo siny fitovozana solofo dimbin'ala
Ka raha mba sitrakao,avy dia ekeo ary aza asina salasala
Fa tiany loatra ianao!

Any aminao ilay atao hoe Saha Edena izay fonenan'i Idama
Dia ianao ilay Eva,saingy tsy ho avelako hadalain'ny menarana
Arovako ny Saha,karakaraiko tsara mba ho tonga zaridaina
Ahafahatsika roa mambolimboly Abela sy mambolimboly Kiaina
Fa tiako loatra ianao!

Aleoko izaho tsy misy,raha ny mombanao no hoe fafana aty sahady
Raha avelanao aza,tsy hiandrasan'ela intsony fa ianao alaiko vady
Ka ny anaranao angamba dia hovaiko hoe safidy famaranana
Tsy hitempo an-kafa intsony aho satria nahita anao dia higoka fihadanana
Eto anivon'ny tontolo!
--------
Lien:
75 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149