MAMY LOATRA (DADAFARAtolotra)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ho sipasipa fotsiny na hanadala sanatriavinaNo anton'diantsika roa aty ambovon'ny fitiavana
Fa ho vady andefimandry,hiantan-tsolofodimbinala
Ka ny fitiavana hanana, homena tsy an-kisalasala
Fa mamy loatra raha Ianao !
Hovolena anaty fo, hampandrobonina ao an-tsaina
Hatao safidy famaranana, hatrany amparam-pofonaina
Ka raha 'zay elanelan-tany tsy hafahana mitazana
Hamikirantsika sandry, avy eo dia hanidina vazana
Fa mamy loatra raha Ianao !
Iretsy andro sy ny volana, mivadibadika ho taona
Ireo lohasaha mitomban-davana izay voadidin'ny havoana
Fa ny fitiavantsika kosa atao voafefim-panajana
Ka ho todisoa ny lakana, amin'ny toerana hiampitana
Fa mamy loatra raha Ianao !
Hamaranako ny soratra, andeha isika hamboly dina
Fa mandra-maty ilay FITIA, na lafatra na fahorina
Ka ny tanjona himasoana, vetesintsika roa androany
Tsy misaraka intsony, raha mbola misy ety an-tany
Fa mamy loatra raha Ianao!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotraNampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 16/10/2025 09:42
