Manaloka (DADAFARAtolotra)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mafaitra tsiro toa tangena, avy eo mangidy noho ny vahona
Tsy mba hoe somambisamby, toa diavolan-tsemban-drahona
Fa dia andro maizin-kitroka, tsy ahafahana mijery
Ny lasantsika roa hatreto, mbola misy takom-pery
Tsy mety sitrana mihitsy !

Lavitra tsy takatr'antso, lalina tsy taka-drefy
Efa niezaka nanakana, fa rava foana teo ny fefy
Toa mangazana fitily, mangata-maso tia hiantsampy
Ny hadirin'ny fitia ve, no mafy noho ny vatolampy ?
ka manaloka eny foana !

Efa norambasan'ny segôndra, avy eo kakerin'ny fotoana
ka navarina aman-tany, mba hoe handrobom-pahadinoana
Tsy maty anefa ilay fitiavana, fa natory fotsiny ihany
Dia ny ompa sy ny ozona, nanjary nihofo ho teny mamy
ka malahelo antsika indray !

Taona maro izay no dila, volana tsy ho tambo isa
Rehefa injao misasakalina, mifoha indray ny visavisa
Mamadibadika ny boky, izay niarahana nipenina
Ary maka izay forohana, tsy nivadika ho lavenina
ka malahelo antsika indray !

Eny akia ry ilay voakazo, izay fihinako taloha
Mba faniriko raha ianao, no miverina mamoa
Dia izaho no talatalana, azonao mba handadizana
Dia mba ho androm-pifalina, ilay ora izay nitomanizana
Rehefa tonga an-kilanao!

Maneloelo tsy hay fafana, midongidongy tsy hay bedesina
Toa vao maika miha manjelatra, ilay niniana ho harafesina
Ireo fitiavana rehetra, izay nezahana gadraina
Manaloka eny foana ireny, tsy mety loa anaty saina
Fa mandrobona faniry !

Andeha tapahako ny penina, izao no hafatra lazaiko
Raha mbola misy isika roa, dia tsy hanadino anao ny saiko
Ka ny masoandro sy ny volana, mpanaza ety an-tany
Ireo no aloka fitiavana, mamolivoly anatiko any
Izay tsy ho levona mihitsy : ka mandram-pihaona aloha !
--------
Lien:
390 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0119