MBOLA TIAKO IANAO (DADAFARAtolotra)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha toa aho ka manoratra amin’izao fotoana izaoNy ataoko lohateniny hoe ‘’mbola tiako ianao’’
Ilay niaritra ny avandra sy ny orana nifafy
Na zara fa mihinana na zara fa mitafy
Dia io fa teny foana !
Raha toa ka hoe nisampana ny lalana nizorana
Raha toa koa efa tapaka ny tady nifatorana
Dia aza adino foana ireny tsinambolan-tsika
Fa mbola ho feno manana ka indro hibaliaka
Amin’izay fotoana izay !
Fa androany aloha, aza miasa saina akory
Ataovy maro ny ondana, dia samy andao hatory
Makafia sy mihanoka ireo alina mangina
Dia samy mody miaina hoe, tsy manana olon-tiana
Ka misalaka tanana !
--------
Lien:
Catégorie :
Fisarahana - Embona - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Alahelo - Eritreritra mandalo - Aingam-panahy - Fitiavana
