MIVERENA (DADAFARAtolotra)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andeha akipiko ny masoko dia amin’izay aho tena jambaAndeha saromako ny foko,dia afenina ao anaty lamba
Satria efa matoky mihitsy fa ianao tsy hanampiana
No hisakambina ny fianako,na lafatra na fahoriana
Ka dia miverena ianao !
Andeha averiko tsongoina,ireo fahiny sao mifoha
Andeha averiko hafafy,sao hamelana ny voa
Ka afahako mioty ,fahasambarana vaovao
Fony izaho tsy nahatsapa,fa tena tsara loatra ianao
Ka dia miverena ianao !
Andeha hajaniko ny saina, tsy havela hamisavisa
Andeha hamorina fitiavana,ataoko toy ny paradisa
Tsy mba misy ranomaso,toy ny fiainana taloha
Fa vontosam-pahasambarana, rehefa isika tafafoha
Ka dia miverena ianao !
Andeha hakatoko ny pejy,ilay no heverinao tomany
Andeha fafako ilay tangena,ka ho soloina teny mamy
Efa miondam-pahendrena,ny silakao ankehitriny
Mpanaja tokatranontsika,tsy mampiditra vahiny
Ka dia miverena ianao !
--------
Lien: