SITRANINA NY FITIA (DADAFARAtolotra)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola tsy sitrana foana ny ratrany,
Mbola mananko ao anivon'ny tratrany,
Lazainy fa lalana tokana monja
Mahatonga ny fony voageja ao am-ponja
Fa hoe mbola babo!

Vao maika mihombo marary ny feriny,
Misafotana ahiahy ao anatin'ny jeriny,
Tsy mety voafafa ny lasa fahiny
Marik'izany f'ianao mbola tiny
Dia miheritrereta!

Nanofy hono izy f' Izaho no malalany
'lay efa navalon'ny volana ela
Nanofy fa lambako indray no nasalony
Ireo tsy hay faritana mbola tavela
Hiainany an-tany!

Mbola mandoro hono ny afom-piavana
Rehefa irery mangina any anefitra
Mbola manaiky tsy misy fandavana
Hiverina hipetra-tsy mahay mandefitra
Satria mbola tia!

Fa Izy any angamba efa sitrana tsara
Matoa sahy miresaka miagolavaitra
Tsapany loatra ilay ''fitia tsy anjara''
Izay no mahatonga ny sainy tsy taitra
K'aleo aho hionona!
--------
Lien:
127 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : DADAFARAtolotra
Inséré par : DADAFARAtolotra
Date : 05/08/2024 12:09
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146