TIAKO FOANA IANAO (DADAFARAtolotra)

Lu par DadafaraTolotra
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na efa tena andefimandriny
Na hoe mpihondana ny sandriny
Na mpikitika ny volony
Na mpanoroka ny molony
Dia mbola tiako foana ianao!

Na anaty bokim-piankohonany
Na mpikarakara ny tokonany
Na mpahandro ny sakafony
Na mpanatoha ny safosafony
Dia mbola tiako foana ianao!

Na mpanasanasa lambany
Na mpangorona ny an-tambany
Na mpizara fahasambarany
Mpanokatra ny varavarany
Dia mbola tiako foana ianao!

Na fanalany ny hamohamony
Na ravaky ny tokatranony
Na mpanasoa ny zaridainany
Na mpanala ny taintainany
Dia mbola tiako foana ihany!
Mandram-pialako eto an-tany!
--------
Lien:
134 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : DADAFARAtolotra
Inséré par : DADAFARAtolotra
Date : 22/04/2024 11:47
Lectures
Lu par DadafaraTolotra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142