TSY MBOLA MANDRY (dadatsima)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MBOLA MANDRYTsy natory aho akory
Fa tena rendremana
Raha toa tsy niseho
Ka tsy hitanareo.
Tsy nangina aho akory
Fa nibitsibitsika
Ka tsy nisy nahatsikaritra,
raha niresaka maharitra,
Tsy nanadino aho akory
Fa mbola sempotry ny adidy
isan’ ora mahatsiaro
nareo Hava- sarobidy
tsy mbola antitra aho akory
na mety hanajafi-kely
fa nahabe demosely,
lalam-piainana izany.
19/04/2013 DADATSIMA
--------
Lien:
Fans:
dadatsima