vita indray... (dadatsima)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
vita iny aloha
ny nanahirana an'i pianina
ny HCC tsy nankatoa
tsy nipoaka,fa dia fanina
ireo mpanenjika anikeo
toa tsy nahenoana feo,

ampiadio ny karajia
aiza indray zao ny ho avy
miandry koa ny mpakafia
mpampiady angely mpanatavy,

ny vahoaka miandry izay mipoaka
efa noana maimbo toaka,
fampihavanana mikatso
maro be ny mpanatsatso
hizara seza izay no maika,
efa vita maty paika
hanefoefo any aoriana,
tandremo loatra sao variana,
vita iny, vita indray.
ny nampahorihory anay,
tohizo indray ny andavanandro,
vola vola ,hay mahandro
mamomamo lava izao,
tsy misy tahotra ny anao....
tohizo ihany eee


dadatsima ny 20 jion 2015 16.40
--------
Rohy:
972 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102