INAY ANIE AHO !!! (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inay anie aho ka vary,
D’ianao no mba rano ;
D’indro isika ts’hifanary,
Na an-tsaha na an-trano ;
Eny iky…hatrany « am-bilany » !

Inay anie aho ka trondro,
D’ianao no mba dobo ;
Raha tsy misy aho :
Ianao ho very hasina ;
Raha tsy misy ianao :
Izaho ho faty hasina !

Inay anie aho ka vorona,
D’ianao no habakabaka ;
Raha tsy eo aho : ianao tsy kanto ;
Raha tsy eo ianao : izaho tsy sambatra !

Inay anie aho ka tànana,
D’ianao no mba vava ;
Raha marary aho :
D’indro ianao mitsoka ;
Raha marary ianao :
D’indro aho misafo !

Inay anie aho ka lakana,
D’ianao no renirano ;
Izaho no haingonao,
Ianao no fiainako !

Inay anie aho ka penina,
D’ianao no ranomainty ;
Raha tsisy ianao : maty aho ;
Raha tsisy aho : tsy velona ianao !

Inay anie aho ka radio,
D’ianao no onjam-peo ;
Raha tsy misy aho :
Ianao tsisy ilàna azy ;
Raha tsy misy ianao :
Izaho tsisy ilàna azy !

f7 (2000)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1132 0
Hevitra mandeha
lalaiina ( 15/05/2012 06:12)
Saingy indrisy !!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0263