SOA (fanasina7)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy misy tsy mibitsika izay nanara-masoNy fiarahantsika :
« Ahoana no hiafarany, hitohy sa hiato ?
- Angamba izay no vita ! »
Ireo nitsiriritra kosa ny toeranao
Dia injao saika hibitaka.
Kanjo ny ahy no tonga aloha : « ny foko onenanao »
- Dia nangaina ka nisintaka –
Ireo mpanaraby indray sy irony mpanakora
Dia indreo nitampim-bava,
Nanantena ho « vita ho azy » sy ny « ho rava mora »
- Hay vao maika tsara laza :
Fa ny fifankatiavantsika, tsy an-jaza velively
Satria voaporofo tsotra izao fa fo no mifamatotra
Matoa tsy ravam-belively, ferifery, teritery
Sy elanelan-tany, mahafanina, mandifotra.
- Dia hoy aho hoe : « Efa izay no lahatra ! »
- Soa ! –
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Commentaires
lalaiina
(
26/11/2012 06:06)
Dia hono ny tohiny ? 😊
lalaiina
(
09/01/2013 11:05)
"Ireo nitsiriritra kosa ny toeranao
Dia injao saika hibitaka": nibitaka be zany zao piso-tia 😜 ???
Dia injao saika hibitaka": nibitaka be zany zao piso-tia 😜 ???