Ny fiverenanao (Fiaritiana)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ny fiverenanao no nanasitrana ny aretikony fahatongavanao no nanakombona ny feriko
ireo alahelo sy ireo sento hatrizay
dia nanjary fifaliantsika indray
ny fiverenanao no nampitsahatra ny ranomasoko
ny fisianao no nampijanona ny ankasoko
ireo fijaliako izay niainako efa ela
toa nanjary fongana tsy nisy tavela
ny fiverenanao no nampihaona indray
nanao antsika roa tonga ho iray
nitondra hasambarana sy ny hafaliana
ny fiverenanao teo anilan olon tiana
ny fiverenanao raha atao teny tokana
dia tena fitsikiako mba ho ahy manokana
hifarana hatreo ireo karazam pahoriana
izay niainako hatrizay tao anaty fihafiana
--------
Lien:
Commentaires
johan
(
15/04/2005 07:22)
Samy hafa be ny inspiration tsika sy ianao eh? hihihi, fa mlay ko kah, tsy ratsy mihintsy. Mazotoa eh!
fiaritiana
(
15/04/2005 14:32)
fa ahoana kay?