AMPIAKARO ! (Fidy Art Niaina)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lavaka mangitsokitsoka no niantotan'ny fitiavako;Lavaka tsy hita nonoa no nianjeran'ny foko rahavako
Niezaka nihanika ihany, kely hery fa efa maratra
Te hianika farany avo; te hiakatra fa tsy mahatratra
Hantsana be mankadiry mahavery fanantenana
Moa mba ho afaka firy amin'izato faharatrana?
Hadivory sy tevana be! Tsy hitako izay amaharako
O ry tiako vonjeo! "Ampidino tady aho hiakarako!"
Fidy Art Niaina in Vetso III
--------
Lien:
Fans:
Fidy Art Niaina