Ampidiro aloha ny tenimiafina
HANANATRA (Fidy Art Niaina)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hananatra indray aho ry zandry malalaHiteny sy hanoro hevitra anao
Ny fitiavanao mantsy toa adaladala
Diniho tsara ny tokony atao
Ny fisainan-dratsy dia tokony hialana
ny zava-drehetra dia misy fotoana
Ny fitiavana leitsy dia fifanajana
Ka aza dia maika ny hanaonao foana
Ny mpifankatia mifanohana hatrany
Raha sendra olana dia miara-mamaha
Manome fahasambarana fa tsy mampitomany
Raha hifandratra fo; tonga dia misaraha
Tsy izay tsara tarehy dia tiana daholo
Fa misafidiana tokana iray
Ilay fitia iarahana mikolokolo
Dia "iny tokana iny tiavina mandrakizay"
Fidy Art Niaina
--------
Lien:
Catégorie :
fananarana - Fitiavana
