MAMORONA! (Fidy Art Niaina)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mamorona tsiky anaty alaheloDia aza, akory, mihevi-tena ny ho singan-drery
Ny hakiviana reseo! Aza avela hanjaka!
Arodany izay manakana sy izay maneritery
Mamorona diavolana amin'ny ali-maizin-kitroka
Dia fenoy kintana ny lanitra efa mainty
Raha sendra hovitrovitra; tsy hita izay hafitsoka
Avondrony avokoa ny hery ao anaty
Mamorona hira amin'ny volon'androm-pahavaratra
Vazo tsotra hokaloina raha sendra ka tomany
Na aza mitsilopy ny fanilo mba mitaratra
Fadio ny mihemotra fa tozoy hatrany hatrany
Mamorona hehy amin'ny habaka fisaonana
Mba ho voatsinampy hanasitrana ny rofy
Izay kely vitanao hosinetrinay fisaorana
Ianao ilay poeta; mpanatontosa nofinofy
Fidy Art Niaina
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Fans:
Fidy Art Niaina
