TSY IANAO IRERY NO VEHIVAVY (Fidy Art Niaina)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tamin'iny andro iny aho toa zary nangaina
Fa androany hafaliana no nitsenako ny maraina
"Raha iray no tsy tia mitotoa koba hatavy"
Fa hay tsy ianao irery no vehivavy

"Raha iray no lasa ; ny misisika folo"
Vetivety teo ny toeranao dia voasolo
K'aza mananten ny mbola hiangavy
Efa nifoha ny saiko tsy ianao irery no vehivavy

"Tsy misy mafy toy ny mamoy havana fa adino rehefa ela ny ela"
Fitiavana anao ? Faikam-pitiavana sisa tavela
Tadidiko eto ilay hira : "lehilahy leitsy ka lehilahy ihany"
Tsy mitanondrika satria TSY IANAO IRERY NO VEHIVAVY ETO AN-TANY

Fidy Art Niaina
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana - Fitiavana
462 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117