Tsy vaky masoandro (Fidy Art Niaina)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa mila tsy ho tanako intsony,ny fitiavako mila hitroatra.
Tsy haiko izay mba any am-pony,
f'izaho lasa tia azy loatra.
Kanefa tsy mety voalaza,
fa fotsiny aho be faniriana;
Maniry azy ho vady sahaza,
ity foko mitempo mangina.
Ekeko, taloha aho naditra,
f'izao lasa malemy paika.
Ka mitobaka tsy mety ho ritra
ilay fitiavana mahery vaika.
Toa lasa adino ny akama,
ny fotoana fanaon'ireo namako;
Vakivava hatramin'i Mama
hoe "Niova be mihitsy ilay zanako!"
Ka ankiniko amin'ilay Ray ao ambony
sy ny fitahian'ny razana ankoatra.
Fa mila tsy ho tantiko intsony,
Izaho lasa tia azy loatra!
#fidy_art_niaina - 09 Desambra 2021 - in FO TOA TENY
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy - Fitiavana