VOAHIRANA (Fidy Art Niaina)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hitako intsony re ny atao;Miasa saina aho ary sahirana.
Ahoana re no hahazoako anao ?
Tiako holaingosana ianao ry voahirana!
Indrisy ianao fa anivon-drano!
Farihy lalina mangeniheny;
Izaho tsy mahay milomano,
dia ahoana no hangalako anao eny ?
Rano ririnina mamirifiry;
Ny olon-drehetra migobona lamba.
Indreo koa fa feno voay mankadiry;
Raha midina eo aho dia ho lanin'ny mamba.
Ilay zahatra kely natao hiampitana,
nisaratsaraka sy rotidrotika.
Niaritra onja ; nivesa-piasana...
Ela ny ela ka farany potika.
Nefa ianao toa miantso hoe "avia!"
Ny felanao toa mikopaka hatrany.
O ry voahirana mahatehotia!
Revo midola , miandry ahy ihany.
Raha ho azoko ianao...Ny saiko ho mirana;
Nefa tsy hitako anie izay atao.
Toroy hevitra re aho ry voahirana!
"Ahoana no nataoko hilaingosako anao ?"
Fidy Art Niaina
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
Fidy Art Niaina
