Ny fibediko azy ireny (heritreritro)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tompo ô

Ny fibediko azy ireny
Ny hatezerako niteny
Isaky ny hananatra azy
Dia hifonako avokoa

Ny fitreronako azy ombieny
Na tsy tiany na nekeny
Ireo famaizana sy sazy
Noheveriko hanasoa

Ireo kapoka sy tsongo
Izay zary nampihombo
Ny alahelo tato am-poko
Sy nananany toloko

Hifonako Aminao daholo
Amin'ny foko manontolo
Na dia hoe fitiavana aza
Fa nampalahelo zaza

Tsy voatery aho hisafoaka
Mila miezaka aho hitony
Sao vazavaza mampitsaoka
No ho alentiko ao am-pony

... Tahotra no ho tsaroany
Amin'ny teniko rehetra
Ka ho ritra tsy hay sotroina
'Zay anatra iriako hitoetra!

Indrisy efa nitranga izany
Ka hitalahoako Ianao
Aoka ho foana ny tomany
Nitsiry tao am-pony tao
--------
Lien:
Catégorie : Zanaka - Embona - Fananarana - Fitiavana
86 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164