Ny gasy ankehitriny (heritreritro)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny gasy ankehitriny?Olona efa very tanjona
Sy resim-pahantràna
Tsy miraika, tsy talanjona
... Manaiky fandrobàna
Ny gasy ankehitriny?
Manaranara-poana
Ny fomba avy any ivelany
Na ratsy izany na mivaona
Ny azy kosa dia navelany
Ny gasy ankehitriny?
Ao 'reo matin-kambo
Kanefa tsy tafarina
Variana mihaza lambo
Izay miezaky ny ho marina
Ny gasy ankehitriny?
Tsy mahalala intsony
Izany hoe fihavànana
Fa mialona ny fony
Raha havana no mànana
Ny gasy ankehitriny?
Be mpivavaka sy mpino
Fa vitsy ny azo hianteherana
Kolontsaina mpanadino
Rehefa azony ny toerana
Ny gasy ankehiny?
Ny vola ihany no miteny
Raha tsy izany tsisy mihaino
Na fampivoaram-pireneny
No anirahana azy hoe saino
Fa ny gasy ankehitriny?
Mba misy koa miezaka
Hanandratra ny fony
Mandroso tsy mifezaka
Tapa-kevitra sy tony
Fa ny gasy ankehitriny?
Mba misy koa tsy mety lavo
Fa vonona hatrany hiarina
Arahin-tsiky ravoravo
'zay dingam-bita dia hitarina
Fa ny gasy ankehitriny?
Ao koa ireo mifoha maraina
Andeha handranto fianarana
F'efa azony ao an-tsaina
F'io no tohatra fiakarana
Fa ny gasy ankehitriny?
Mbola misy olon-tsotra
Malala-tànana sy mihantra
Ny fihavanana mizotra
Ny voin-kava-mahatratra
Fa ny gasy ankehitriny?
Marina fa be kilema
Fa tsy misy tonga lafatra
Fifankatiavana no antema
Firaisankina no hany hafatra!
--------
Lien:
Catégorie :
Tanindrazana - Fiaraha-monina