LAMOKA... (Iavotra RAMANAMPAMONJY)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAMOKA....

Lamoka valaka drodroka mihitsy
fa ady saritaka mafy firitsoka ny ali-mangitsy
anilan'ny tiana
tonga hafanana hifandrobana anaty fitia

lamoka valaka setrin'ny antso
nataony am-po tanatin'ny aizina toy ny famaizana
lalaom-pitia
no niarahan'ny sambatra ivelany misy

d'ireny no nitsiky rehefa nipatraka
tonga taraina ny hasambarana anaty fitia
nisarangotany nakany fy
tanatin'ny safo

dia tonga lamako ny redon'ny antsa
nosalovanan'ny vatako taminy
izy ny sefo namaly taraina
dia tonga havizanana ny andro maraina

fa nifandrobana ny aty fitia
iny alin'iny
tonga hafanana mahery fiventy
ny ali-mangitsy
ka... lamoka valaka drodraka mihitsy

Iavotra
--------
Lien:
Catégorie : Eritreritra mandalo
824 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138