LAMOKA... (Iavotra RAMANAMPAMONJY)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAMOKA....Lamoka valaka drodroka mihitsy
fa ady saritaka mafy firitsoka ny ali-mangitsy
anilan'ny tiana
tonga hafanana hifandrobana anaty fitia
lamoka valaka setrin'ny antso
nataony am-po tanatin'ny aizina toy ny famaizana
lalaom-pitia
no niarahan'ny sambatra ivelany misy
d'ireny no nitsiky rehefa nipatraka
tonga taraina ny hasambarana anaty fitia
nisarangotany nakany fy
tanatin'ny safo
dia tonga lamako ny redon'ny antsa
nosalovanan'ny vatako taminy
izy ny sefo namaly taraina
dia tonga havizanana ny andro maraina
fa nifandrobana ny aty fitia
iny alin'iny
tonga hafanana mahery fiventy
ny ali-mangitsy
ka... lamoka valaka drodraka mihitsy
Iavotra
--------
Rohy:
Sokajy :
Eritreritra mandalo
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Iavotra RAMANAMPAMONJYNampiditra : Iavotraina
Daty : 14/03/2014 12:51