FAHALEOVANTENA SARISARINY (Ilay FANAMBY)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lasa ny saina,Lasa ny saina mijery ireto olona
Malagasy miredo afaka tamin'ny tolona
Faly ery izy ireo erakin'ny tsena
Ka hirahirany foana ny hoe: "Fahaleovantena"
Lasa ny saina mijery ireto mantso
Izay efa nomanin'izy ireo tato ho ato
Mifandray tanana manao ray sy roa
Ela niandrasana hono ka tena faly tokoa
Lasa ny saina mandinika ireto vahoaka
Ny sasany indray efa mamo toaka
Dadanay koa tsy ambakan'izany
Ity fahaleovantena anefa "sarisariny" ihany
Lasa ny saina tena lasa,
Satry tsisy Malagasy nilaoka traka
Samy avy ry zareo nankany an-tsena
Nandany vola hivimbinana hena
Ny sasany indray nanadino ny "sotry"
Fa dia naringana hatramin'ny biby fiompy
Kisoa, ondry amam-borona
Fa hoe afaka tamin'ny tolona
Lasa ny saina amin'ireto tantsaha
Fa dia navela avokoa ny asa aman-draharaha
Indrisy anefa tsy fantany akory
Fa ity firenena ity dia mbola am-pelatanan-dRangory
Lasa ny saina nahita ny filoha
Teny mahamasina fa tsy teny iavoloha
Henoy ange zato kabariny
Tsy voateniny mihitsy hoe: "Fahaleovantena sarisariny"
(Ilay FANAMBY, Fahaleovan-tena sarisariny, 26Jona 2023)
--------
Lien:
