Mba efa fatatrao ve,...? (Ilay FANAMBY)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fatatrao ve ry foko,Fatatrao ve ry foko,
iny olona irinao
Voadinikao ve ry vetsoko,
iny olana inkaloanao,
Moa fatatrao ve
lay fiti natolony
Mba efa voadinikao ve
lay teny teo imolony
Hitanao tsara ve ry masoko,
lay tsikiny teny ho eny
Moa efa voadinikao,
izay nataony tsara jery
Henonao ve ry sofiko,
iny valin-teny iny
Moa mba efa voaheno tsara,
lay tiany hambara
Azonao ve ry tsikiko,
lay tsiky atolony
Moa mba efa voadinikao,
ireny tsiky eo an-takolany
Tazonao ve ry tanako,
izy namihina anao iny
Fihina tsara ve ianao,
sa tsy afaka handao intsony
Mba fatatrao ve ry tongotro,
izao dianao izao
Eny, hainao ve ilay nafafy,
no ianao mandeha mafy
Tena fatatrao ve ry fitiavako,
iny olona iny
Fa toa lasalasa angamba,
sa hoe babony dia jamba
Tsy dia fatatro loatra izy ity,
fa iny kanto no nahatamana
Tsy voadinika loatra satria,
nameno ahy loatra ilay fitiavana
Dia ilay bika aman’endrika ao tsara
(Ilay FANAMBY,mba efa fatatrao ve...?,septambre 2021)
--------
Lien:
