NY FIAINANA I (Ilay FANAMBY)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I KALO(Fizarana 1)

— Kalo a! Maninona ianao? hoy ilay namany niantso azy,
Nahita azy nangina sady toa te hitomany,
Nefa maha té-hotiana ka nokakaiziny hatrany.

Nanontany am-panajana ,
fa toa rendriky ny havizanana.

— Eto aho e! hoy i Kalo namaly moramora,
toa rendriky ny hakiviana miampy hamonkorana.

Alahady mantsy anio, ka andao mba hivoaka,
Amin'ity andro tsara loatra.

— Andao ary! Aiza no hiroso? Sa ho eny andriaka?
Eny angamba zao mety amintsika.
Sa aiza no tianao?

— Andao ary!

Dia lasa izy roa vavy,
Nankeny an-tanimbary, nanararaotra ny Alahady tsy nilanjana angady.

Teo izy no nametsovetso ny fiainany
Ka nanomboka nitantara indray ny lasa niainany.

Efa iray volana niarahana nefa mbola tsy nifankahalala akory,
Eny na dia niara-niory.

— Kalo a! Afaka mamatatra ny tantaranao ve aho androany? hoy ilay namany nanontany tampoka.

— Eny, hoy i Kalo, lavabe ny tantara,
Ka raketo izay ho ambara.

Nisento kely izy vao niteny:
— Ny fiainana no antony...
Hoy izy voalohany sady nanodina ny lohany.

— Kalo! Aoka aloha... hoy ilay namany nandray ny tanany,
Nanapaka ny teniny sao dia hampahory azy ka honeniny.

Nitanondrika i Kalo.
Tapaka teo ny tantara...
Fa lasa izy nilomano .
Aleo tohizana any an-trano...

Hitohy!
( Ny fiainana 1, Ilay Fanamby, Octobre 2022)
--------
Lien:
Catégorie : tantara - tantara - fiainana - fiainana - fiainana
991 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115