Fitia, (Ilay FANAMBY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitia,

Fitia mifamihina ary tsy mifamara,
Lavitry ny hoe "tsy anjara",
Fitiavana safononoka,
Ao am-po fa tsy mijanona eo imolotra.

Fitia tsy mba hanam-petra,
Ezahina mba ho tarigetra,
Fitiavana asesika eny,
Entina ombieny ombieny.

Fitia mitafotafo,
Mamy ery isan'andro,
Eny, fitiavana milomano,
Eny an-dalana ka hatrany an-trano.

Fitia tsy mba voafefy,
Mainka mamony fa tsy mety lefy,
Mampiray fo sy malina,
Ka mampitsiky andro aman'alina.

Izany no atao hoe "fitia".

(NY FANAMBY Nomenjanahary,fitia,febroary 2023)
--------
Rohy:
1177 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ilay FANAMBY
Nampiditra : Ilay FANAMBY
Daty : 20/02/2023 15:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116