Ny antsika malala (NY FANAMBY Nomenjanahary)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny antsika malala a!Fitiavana tsisy seto,tsy mbola hatreto
Fa efa hatrizay ary koa ho mandrakizay
Ny antsika malala a!
Fitiavana tsisy fitaka,ho maro mpakasitraka
Fitiavana feno satria lavitra alahelo
Ny antsika malala a!
Fitia mifametra,tsy mba hanam-petra fa aina no fetra
Fitia maharitra,ravaky ny lahatra
Ny antsika malala a!
Fitia mahory nefa amin'ny fo toritory
Fitiavana tsy ampy nefa ndray ho mandramaty
ENY,ny antsika malala a!
Ilay fitiavana hatrizay,hataon-tsika ho mandrakizay
Averiniko etoana fa: tsy mba hanam-petra ary aina no "fetra"
(Ilay FANAMBY,Ny antsika malala,sept 2022)
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy - Fitiavana