Ny FANAMBY (NY FANAMBY Nomenjanahary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fanamby,

Efa ela izaho no efa niandry
Alim-pahasambarana feno manana
Izay mantsy ilay fanamby
Hovoizana ,ho valin-kasasarana

Efa ela mantsy no nikalo
Hanandratra ary nanambara
Eto aloha de mbola"tononkalo"
Fa any aoriana ho lasa "tantara"

Hanora aho fa betsaka ny miandry
Tsy hikomy fa ampanetren-tena
Izay mantsy ilay "fanamby"
Hanandra avo ity firenena

Enao io ve mba efa nisafidy
Hanetry tena mba ho andry
Minia re mba hanefa adidy
Ataovy izany mba ho fanamby

Raha ny fanambiko no tanteraka
Fisaorana no ambetim-pitenenana
Ny fisiako tsy ho enta-mavesatra
Ho rotoroto ety amin'ny firenena

(Ilay FANAMBY,Ny fanamby,1er septambre 2022
--------
Rohy:
384 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY FANAMBY Nomenjanahary
Nampiditra : Ilay FANAMBY
Daty : 01/09/2022 14:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116