Embona (NY FANAMBY Nomenjanahary)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny fitiavako anao iny,hafaliana sesilany
fitiavana manimoka iny no nameno ny tany,

iny tambitambiko iny,
tontolo hafakely
tsapanao ankehitriny
rehefa iny ianao irery

iny vetsovetso-tsika iny
tantara tsy navela
mba ho tsiaron'fahiny
embona haharitra ela

iny fitatanako anao iny
tantara tsy voarakitra
fa toa lasa tsiny
lay soa saika ts aritra

iny fipetrahan-tsika iny
hazo-tokana ho tsiaro
nefa ahitra no naniry
ialofan'ireo pandalo

iny moron-driaka iny
lasa rivotra mahery
tsy toy ny fahiny
nigohan-tsika rivotra malemy

iny sangisangin-tsika iny
lasa adim-po mitoetra
tsapanao ve ankehitriny
fa ratra-po tsy mana-petra.

iny orokoroka mamy
nofinofy nandalo
any ianao any ho any
mamerina ny kalokalo

veloma iny vitantsika iny
veloma satri lasa any,
mapamangy ary ry fahiny
fa lahatra eto an-tany

(Ilay FANAMBY,embona,aogositra 2021)
--------
Lien:
525 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147