Ny sento (Ilay FANAMBY)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sento, hoy aho no anombohana,
Ny kalo entiko anio, ry mpanohana,
Sento satria mangoraka ny foko,
Kanjo hafaliana sahady no eo am-bavako.

Fa nahoana? hoy ianao.
Sento-pitia ve?
Sentom-pahoriana ve?
Aa ka! Sentom-pifaliana.

Ny sento,
Iray amin'ireo fiainana foana,
Tsy miala eo anoloana,
Ary koa tsy mba dila,
Na maraina na hariva.

Ny sento,
Na faly ianao na mitomany,
Dia sento foana ny any,
Eny, manaraka anao hatrany.

Ny sento,
Izy no hery iray ao anaty "ankany",
Dia ilay ankany tsy voavola aman-tany.
"Inona?" hoy ianao.
Ny fo izany.

Maro ireo hery monina ao,
Fa ny sento aloha no kaloko anio,
Koa mahaiza manaraka tsara,
Izay harakitry ny penina ho tantara.

(NY FANAMBY Nomenjanahary,sento,19/05/23)
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana - Aingam-panahy
896 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116