TAKARIVA ANY ANTANÀNA (NY FANAMBY Nomenjanahary)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Takariva lahy ny andro ka tadidiko ty korana rehefa mody omby ny any ambala.Indreny ty kitabo,horakoraka tsy malazo fa mifamory andohavala ka tsy mangina koa ny tanana
Takariva lahy ny andro ka te hody atena mahatsiaro ty japela mikakakaka eo apanaovana sabaka
Takariva lahy ny andro,te hody aminay hamerina iny fahazazana hikalo kitantara,
Takariva lahy ny andro ka any i dada tsaroako raha miantso ty zanany, tsy mahatsiaro mana eo ambony kitatarany
Takariva lahy ny andro,lasa ty kidabo misasa fa nahazo,
Ny vovoka nandihizana,sasana aloha de ampitso ndray tohizana.
Takariva lahy ny andro,te hody fa tsy afaka ka indro ty hafatra.Samia miifakatiava fa korana rolahy mbola ho lava,
Takariva lahy ny andro ka veloma no azo apetraka amin-drikoto amin-driketaka,
veloma ry japela veloma ry kidabo,mbola ho avy tsy ho ela hiaraka eny an-tsena
(Ilay FANAMBY,takariva an-tanàna,septambre 2021)
--------
Lien: