Tanàna haolo (Ilay FANAMBY)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nakaiza??

Nakaiza ny olona tetsy?
Toa rivotra sisa mifofo,
Manaratara,
Endrey, mameno ny tanàna.

Nakaiza ireo ankany?
Sa ve niankohoka ho tany?
Taitra manko ity foko,
Fa toa feom-borona sisa no mitoloko.

Dia nakaiza daholo
Ireo vahoaka sy fonkon'olona?
Zavona mikoriana
No sisa aty aoriana.

Nakaiza ny biby amam-borona?
Ringana sa nofongorina?
Feom-borona manidina no sisa re,
Mifangaro amin'ireo biby masiaka ee.

Nakaiza re ny tanàna e?
Toa trano rava no mijoro.
Tantely sisa hitako eny,
Manidina ombieny ombieny.

(Ilay FANAMBY, tanàna haolo, 29 sept 2022)
--------
Lien:
Catégorie : Tontolo iainana - tantara
1028 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0138