Ampidiro aloha ny tenimiafina
Tiko ianao(2) (Ilay FANAMBY)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiko ianao,Endrey anie, zato endrikao e,
Zava-boary tsara loatra,
Zato jerinao indray,
Mbola tsy nisy hatrizay.
Ilay famindranao koa,
Mipaka hatrany an-doha,
Manao izay roa, mitsitokotoko,
Miaraka amin’ity fitempon’ny foko.
Oay, zato volonao,
Tsara loatra aky izao,
Na ny milalao azy ihany,
Fahafinaretana anatiko any.
Tiako re ianao a!
Ny fitafinao indray,
Mampanitatra ny saiko iray,
Tsy hoe hanaotao foana,
Fa izany ka tena mandona.
(Ilay FANAMBY,Tiko ianao,juin 2023)
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy - Fitiavana
