Ampidiro aloha ny tenimiafina
Lalao (JAO Anjara)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AnkizyEndrey ireto ankizy
Mifaly sy mikorana
Toa mirana izay tsy izy
Fa mamy ny fahazazana
Rahosijamba,rahosijamba
Diavolam-pararano
Kisangisangy,vazavaza
Kivarivary amoron-drano
Fa na maizin-kitroka ny tany
Indreo mbola eo ihany
Totorebika sy mihira aok’izany
Fa lalao tsy misy fiafarany
Fa tiako loatra lahy
Izany fahazazana izany
Fa ambaratonga iray
Tsy hanin-droa eto an-tany
--------
Lien:
Catégorie :
Kolontsaina
