Neny (JAO Anjara)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry Neny tiako indrindra
Sy malalako eto an-tany
Ny fitiavako tsy afindra
Fa ho anao irery ihany
Ianao no mpandridra
Sy masoandro nahitàna


Fa ny fiainako rehetra
No namoizanao ny aina
Ka nikolo tsisy fetra
Ilay tany karakaina
Nampifaly raha joretra
Nampitsiky vao maraina


Tsy ho nofy ankehitriny
Ny fiainako eto an-tany
Sy ny omaliko fahiny
Dia noho i Neny izany
Raha tojo hirifiry
I Neny teo hatrany.


JAO Anjara
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
425 1
Fans: JAOANJARA
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : JAO Anjara
Inséré par : JAOANJARA
Date : 16/05/2015 13:22
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139