Vorona mifidy mpanjaka (Johanesa Rakotovao, mpitandrina)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Izay hendry atao Ingahy"

Ny voro-manidina, hono, 'ndray maka,
Nanao fanekena
Hifidy mpitarika iray ho mpanjaka
Sy tompo hekena.
Nitsangana Ingahy Ragoaikan'Iarivo
Mpitazana Andriana,
Nilaza fa izy karazana anivo
Ka tsy azo idifiana.
_ Ny tratrako fotsy ; ny tenako mainty ;
Ny feoko mazava !

Nanda ny vahoaka, fa zava-tsy tanty
Ny Andriam-basivava !
Rangahy Toloho, mpamelona antsiva,
Nandahatra koa.
Kanefa donendrina mandrakariva
Ka tsy nahavoa !

_ Zahay, hoy ny fody, no aoka hekena,
Fa tena talaky :
Tsy sarotra hita, fa mora jerena,
Misampina jaky !

Nibohy daholo ny besinimaro
Fa vonon-kandroaka !
_ Ianao ve, Radody, hekenay ho aro ?
Mpihinam-bahoaka !
Rehefa mpandroba no tonga mpandidy
Hamoaka lalàna :
Aleo samy minon-tangena mangidy,
Ho lao ny tanàna !

Ravoromahery mpifaoka kibobo,
'Lay tena mpandrava ;
Ny gisa nisorona mba hofidiana ;
Kanefa tsy lany,
Fandrao tsy hahefa ny zavatra irina
Hampandry ny tany.
Ka inona intsony, fa izay nikabary
Nilaza ho mendrika :
Tsy nisy nekena fa hoe samy "kary !"
Ka dia nifanevika !

Dia alina ny andro ; ny lahatra lava,
Ka farany : r a v a !

Voambolana :

Vava : teny atao "Vava soa, sakafo ; teny ratsy, adidy". Ny hoe kosa " mahay vava" dia ilazana ny olona vavàna, mpanao teny mamelively olona.
Talaky : mora tazana. Izay vonon-kiseho ho tena namana sy havana dia lazain'ny any Ambatofinandrahana hoe : "mitalaky ho havana e!"
Nibohy : tsy manaiky, manohitra, mandà mafy amin'ny teny atao
Minona : misotro zavatra
Misorona : mandroso ho hita, mitolo-batana hifanehatra. Hafa ny hoe : "soro-baton'ilay jamba : voa vao mihilana". Ny "misoroka", amin'io, dia mihilana, na mihataka, mba tsy ho voan'ny zavatra atifitra ny tena.
--------
Lien:
874 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141