RAISO ANTANAN-DROA (SIDA) (JOHARY J)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa be 'reo fandinihanatsy vitsy ireo 'zay notiliana
miha-mitombo ny voaratony
ary efa maro 'reo nafatony
Hoe: mba inona ary izany, manontany izato ianao
aoka hotsoriko avy hatrany sao sendra mba adinonao
"SIDA" ... 'lay mpanjakan'ny aretina
tsy ahitan-tsoritra na pentina
ireo 'zay efa hiantranoin'ity Bibidia tsy hay vonoina.
Nefa; mbola miala nenina ihany
manao vy very ny ainy
'reo Mpikaroka sy Mpaminany
hatrin'ny alina sy maraina
ka hatramin'izao dia niala maina.
Aoka kosa nefa lahy, aoka ianao mba hahatsiahy
fa olona mifono nofo, mena rà mitovy anao
fa aza dia enjehina raha tsiambaratelony mivoaka
ary aza ailikilika fa olon-dresy tsy afa-mitroatra
Koa areheto re ny jiro
mariky ny fahazavana
mba ho maro ny eto an-tany
ka hanaiky avy hatrany
fa tsy angano na arira
na politikakelin-tsira
fa zava-misy tsy azo afenina
lazaiko anao mba tsy hanenina
fa mifindra mahafaty
ty SIDA aretin-dratsy
Koa alao hery ry Malagasy, herezo tsy hivari-lavo
f'aza atao tsindry hazo lena, 'reo olom-bitsy niangarana
fa avelao mba hanantena, satria izy manan-jo
ary RAISO AN-TANAN-DROA fa aza avela hamoy fo.
Johary. J
2006
--------
Lien:
Catégorie :
Tontolo iainana - fananarana - Ady - Namana - Fiaraha-monina - Fiononana - Alahelo - Fitiavana