INDRAY ANDRO ANY..... (Laingo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ndray andro any... raha toa ka tsapanao
F’efa nisy olon-tia anefa tsy notiavinao
Dia tsarovy amin’izay, f’iny olona nijaly iny
Dia efa an-tanan’olon-kafa, sambatra, tsy toy ny fahiny

Ndray andro any.... raha toa izy ka hitanao eny ho eny
Dia fantaro f’efa maty ‘lay fitiany rohy memy
Ary nosoloiny vaovao tena tsara sady raitra
Ilay fitia natosikao izay nangidy sy nafaitra

Ndray andro any...raha toa ka neninao
Ny hasarobidin’ny fitiavany izay natositosikao
Dia antsoy ry fanadinoana hanampy anao hanadino
F’ilay fitia nahilikao, tretrika toa tsy mampino.

Lozanao nanary azy!!!!

Laingo
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1430 1
Fans: Zozoro
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141