INDRAY ANDRO ANY..... (Laingo)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ndray andro any... raha toa ka tsapanaoF’efa nisy olon-tia anefa tsy notiavinao
Dia tsarovy amin’izay, f’iny olona nijaly iny
Dia efa an-tanan’olon-kafa, sambatra, tsy toy ny fahiny
Ndray andro any.... raha toa izy ka hitanao eny ho eny
Dia fantaro f’efa maty ‘lay fitiany rohy memy
Ary nosoloiny vaovao tena tsara sady raitra
Ilay fitia natosikao izay nangidy sy nafaitra
Ndray andro any...raha toa ka neninao
Ny hasarobidin’ny fitiavany izay natositosikao
Dia antsoy ry fanadinoana hanampy anao hanadino
F’ilay fitia nahilikao, tretrika toa tsy mampino.
Lozanao nanary azy!!!!
Laingo
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
Zozoro