Tiako ianao (lain's rakoto)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ny tiako dia ho eo
Ho eo akaikinao mandrakariva
Tsy hiala fa hitoetra
Nefa indrisy
Tsy mora ny fiainana
Ady sy tolona
Hazakazaka amoron-kady
Tsy vitan'ny tambitamby
Safosafo sy orokoroka

Tiako ny eo
Ny eo akaikinao
Nefa indrisy tsy maintsy aho handao
Handao anao
Tsy ho aiza akory fa hitady izay mahasoa
Mahasoa antsika roa
Hoan'ny dimby sy ny fara
Ireo taranaka any afara

Veloma mandrapihaona
Veloma mbola hihaona
Veloma ry Malala
Veloma no apetrako
Ilay peratra tsy apetrako
Ho marik'ilay voady
Voady mandramaty
Tia sy hanaja ndry
Mandrakizay doria
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
241 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146