Nahoana no tsia... (Lee Andrianalaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana no tsia....


Haizin-kitroka sy alahelo
Nentiko nizotra ny làlako
Kikiaka tsisy naheno
Dia iza ary no ho hàlako

Vain'afo no nitsahako
Fa tsy mba lalan-tsara
Fa ianao Tompo iarahako
Ilaiko mba hikarakara

Herisetra sy teny mandratra
No mba sakafon'ity sofiko
Tevateva sy latsalatsa
Iainako isan'andro vaky

Ny ratram-po tsy hay lazaina
Fa tsy sitran'ny fotoana
Tompo o, ianao andry andraina
Hizorako manoloana

Tsy mba misy soroka iantohofako
Tsy mba misy mpanome fitia
Ianao no mba ampinga fiarovako
Koa raha antsoinao aho, nahoana no tsia.....


Nahoana no tsy hanaiky foana
Izay mba ho sitraponao amiko
Fa ianao no mba manoloana
Hanome fiadanana mba satriko

Nahoana no tsy hankasitraka lalandava
Raha izay no hitanao fa mahasoa ahy
Na fijaliana sy fahorian-dava....
Miaraka aminao tsy mampiahiahy ....



Lee Andrianalaina
17 octobre 2021
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
631 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lee Andrianalaina
Nampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 17/10/2021 06:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013