Teneno aho.. (Lee Andrianalaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teneno aho....



Teneno aho raha tafahoatra
Ny fitiavako ianao ry lala....
Teneno aho raha kely loatra
Ny fanantenako re ry malala

Teneno raha sendra ka tezitra
Fa tsy vaha olana ny valifaty
Raha andeha ianao teneno aho hitady hevitra
Hitehirizako fitiavako tsy mba ho faty...


Teneno aho raha handao ahy ianao
Fa ritra tampoka ilay fitia nantenaiko
Teneno dieny izao raha ho sahinao
Hanitsaka ireo voady nandraindraiko..


Teneno aho raha trotrakin'ny fahantrako
Fa tsy tsapako akory izany ry aiko....
Teneno aho raha sanatria ka noratrako
Ilay fonao nitia izay mba nantenaiko......


Teneno aho raha sendra ka lavo
Fa haizin-kitroka lava ity lalovako
Teneno aho raha tokony hivazo
Fa izany no fanafody mba hialofako..



Lee Andrianalaina
19 octobre 2021
--------
Rohy:
551 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lee Andrianalaina
Nampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 19/10/2021 04:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142